Nanie

Nampiditra rapisoukely
02/01/2005 00:48
Hiran'i Nanie 21 Jereo eto
Vangy : 10992
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nanie, mpihira anisan'ny miavaka amin'ny feony.

Hevitra momba an'i Nanie

(19/12/2002 00:01)
Nanie dia tovovavy vao 22 taona. Ny feony somary garagara izay no tena mampiavaka azy. Ary izay feo izay indrindra no hahafahany mihira ireo karazan-kira rehetra tiany hiraina. Vao 9 taona izy, hoy izy, dia efa nihirahira. Kanefa tamin'ny faha-17 taonany no nanitsahany irery, toy ny mpahay hira rehetra, ny sehatra lehibebe, ka tao amin'ny Caf'art no nanolorany amboaran-kira maromaro. Tamin'izay no tena nahafantarana azy.
Efa namoaka raki-kira voalohany i Nanie. Nivoaka tamin'ny volana desambra 2002 teo kosa ny raki-kira faharoa, izay misy ilay hira mitondra ny lohateny hoe "Hir'aina". Anaran-janany io, ary nampitondrainy io anarana io koa ny raki-kira faharoa navoakany. Io hira io no anisan'ireo hira nitana ny loha-laharana nandritry ny herinandro maromaro tao amin'ny Hit-parade RTA.
Nanomboka ny volana oktobra 2002, dia saiky hita amin'ny fampisehoana goavana rehetra i Nanie. Ary izy no azo lazaina fa maro mpankasitraka indrindra amin'ireo vehivavy mpihira amin'izao fotoana izao.

Hiran'i Nanie (21)

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1216