Liva Andrianavalona

Nampiditra mowgli
05/12/2004 18:02
Hiran'i Liva Andrianavalona 5 Jereo eto
Vangy : 3611
Mpankafy : 0 Ankafizo
i LIVA zany dia efa nanambady an'i KIKI
ary efa mananjanaka vavy kely ry zareo dia i MAEVA .
zay aloha no fantatro fa dia mantena ny fiverenany an tsehatra amin'izay.

Hevitra momba an'i Liva Andrianavalona

titi (29/09/2002 06:05)
FOLAKA

Tsy olon-kafa fa ianao
No mba iriko ho mpandova ny fitiavako mifoha
Fa na tsy anjely aza ianao
Ianao no afaka nanova ny toetrako taloha

Voarebireby aho fony tia rendrarendra
Nanjeny tetsy sy teroa
Mety ho vintana na koa sendrasendra
No nampihaona antsika roa

Ankehitriny nefa he
Tonga matahotra aho sao very raha tsy eo anilanao
Ny faniriako dia ny hoe
Tazoninao ho anao irery amin'ny fiainam-baovao

Tsy tambo isaina anie ireo fahavalo
Tsy tia antsika hiara-dia
Izay sorisory enga anie ka handalo
Ka tsy handrava ilay fitia

Tsy olon-kafa fa ianao
No mba iriko ho mpandova ny fitavako mifoha
Fa na tsy anjely aza ianao
Ianao no afaka nanova ny fiainako taloha

Hiran'i Liva Andrianavalona (5)

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011