Kelly Rajerison

Nampiditra titi
29/09/2002 02:12
Hiran'i Kelly Rajerison 27 Jereo eto
Vangy : 5137
Mpankafy : 0 Ankafizo
.

Hevitra momba an'i Kelly Rajerison

titi (29/09/2002 06:12)
TARATASY HO ANAO

Raha mbola misy koa fitiavanao ahy
Mbola miaina eo anilanao aho
Miramirana ery izay jereko ety
Ny hasambarana ao am-po tsy ho lany

Lasa ianao ny omalin'iny
Satria izany no lalànan'ny fiainana ety an-tany
Mafy ny alahelo izay toa tsy haiko nafenina
Tamin'ny andro farany nahitako anao

Taratasy ho anao
Milaza vaovao
Ny andro no miharatsy aty amin'izao fotoana izao
Lasa nody ilay masoandro namiratra teo
Taratasy ho anao
No hany mba sisa manambara ahy
Fa mbola ho tsara ny ampitso
Ho haiko ve ny mampatsiahy
Fa mbola tiako ianao ?
Ilaiko ve ny mampatsiahy
Fa mbola tiako ianao ?

Hiran'i Kelly Rajerison (27)

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112