Johasina

Nampiditra ikalamako
20/12/2017 19:06
Hiran'i Johasina 14 Jereo eto
Vangy : 1009
Mpankafy : 0 Ankafizo

Hevitra momba an'i Johasina

johasinarison (23/01/2024 09:02)
Johasina dia mpamoron-kira sy mpihira ary gitarista mivohy gadona samihafa, ny Soul, ny Funk, ny Jazz, ny blues ary koa ny pop.
Hatramin'ny faha 14 taonany izy no nihira sy namoron-kira ary namorona ny tarika First Truth sy Rai'ian. Gadona pop rock no tena nataony tamin'izany.
Taty amin'ny faha 19 taonany izy no nandeha irery ary namoahany ny hira Fahatsiarovana tamin'ny 2016. Nivoaka tsikelikely taty aoriana ireo hira nahafantarana azy ahitàna an'i Andao hihaona, papango, Miverena, Aza mangarika, omeo fijery mamy, Revin-gadra, Fitia tsotra izao, Raozy.
Tamin'ny 2020 dia nominé tao amin'ny RDJ mozika i Johasina tamin'ilay hirany Revin-gadra.
Ny septambra 2023 no nivoaka ny rakikirany voalohany mitondra ny lohateny hoe : Tsy revin-gadra intsony ilay tour ary ny septambra 2023 hatramin'ny novambra 2023 izy no nanao ny Album Tour.
Ny Janoary 2024 no nomine tao amin'ny RDJ Mozika indray i Johasina tamin'ilay hirany Raozy.

Hiran'i Johasina (14)

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012