Jeneraly
Sary
Lisitry ny hira
Hampiditra hira- 18 ans
- Dada malala
- Dada vaovao
- Dadabe
- Frère Jacques
- Hihira aho
- Hirahira kalokalo
- Ilay nofy hafahafa
- Ilay vehivaviko
- Isika roa
Hevitra mandeha
dilson (20/05/2009 13:15:33)
Mba andefaso anlay tononkira "francoise" iny ry zala izay mahay, fa tena milay iny okay
bileda (19/11/2006 20:11:09)
Tiako dia tiako ny hira miresaka an'i "Dada malala o"... fa saingy tsy ananako ny toniny
beeen (09/06/2006 19:27:16)
Sao dia mba misy manana ny sariny nareo. za mantsy tena mankafy b
kiadytsilaitra (24/03/2006 23:57:16)
Raha velona @'izao andro izao i Gaby dia tena farany izay halaza angamba fa zao vao tena mahatakatra azy ny malagasy.
thiko (06/08/2004 05:04:54)
Hery be no teo amin'ny gitara fa i Tovo be indray ilay nitsoka farara sy nanao beso. I Tovo be moa dia fantatra kokoa amin'ilay hoe"Izay mahery, izay osa" t@ ilay hira "tahotahokatsaka"
ilery (11/02/2004 18:18:30)
Fanitsiana kely fotsiny :
I Hery Be no teo amin' ny gitara fa tsy Rivo be.
(12/08/2003 16:36:25)
Ny nihavian'ny teny hoe JENERALY dia fony mbola nanao cabaret tao @ SPEEDY ry zareo tany @ taona 80 dia nanontaniana hoe iza no anaran'ny tarika. Namaly Gaby hoe "Ny nanay dia mozika en général" ka izay no lasa hoe tarika JENERALY taty aoriana.
Rehefa tena tapa-kevitra ny tarika fa hiaka-tsehatra dia nanomboka amin'izay ny fitadiavana ireo mpitendry. Tany amboalohany moa dia i Gaby (mpihira sy mpamoron-kira) sy i Benja (gitara beso sy mpandrindra) no tao anty tarika voalohany. Avy eo dia niampy an-dry Tala (clavier), Tovo be (farara, feo fanampiny), Rivo be (gitara), Jôjô (betterie), Claude (feo fanampiny).
Efa maro ireo mpitendry malaza niaraka tamin'ny tarika toan-dry Silo, Tovo Andrianandraina (rahalahin'ny Benja). Efa niova matetika ihany koa ireo mpikambana fa i Gaby sy i Benja izay naomrona ny tarika no tao foana.
Rehefa nody mandry kosa i Gaby dia i Benja sy ireo mpikambana hafa toan-dry Néné no nanohy ny hira sy mozika.
Tsy mbola namoaka Raki-kira na iray aza ny tarika Jenaraly na dia efa manana hira maro be aza. Efa maro kosa ireo hira noraisim-peo sy vita raki-tsary.
Nangonin'ny Tovo Ranaivomino
