Gtika Menalamba

Hampiditra sary Nampiditra urbanhit
25/10/2012 00:21
Hiran'i Gtika Menalamba 5 Jereo eto
Vangy : 1086
Mpankafy : 0 Ankafizo
Teraka tamin'ny 18 Aprily taona 1990 tao Antananarivo, ary lehibe teny Ampefiloha. Mpanoratra sady mpiangaly rnb , soul sy zouk izy. Ahitana azy matetika ny hira iarahana amin'ny mpanakanto Rap (Rain Dago, Double 6, Jmsah, ...) . Ny nahitana azy voalohany dia tao amin'ny vondrona Tana Riddim Style tamin'ny taona 2006. Nandeha irery izy avy eo ary niara niasa akaiky tamin'ny mpanakanto malaza toy Shyn sy ny maro hafa izay avy amin'ny tontolo maro samihafa. Niara-niasa ihany koa tamin'ny We Malagasy sy Dago sy Mouv izy tany am-pita avy eo vao niditra tao anaty fianakaviam-ben'ny Menalamba.
Ny mora ahafantarana azy dia ny hira mampalahelo izay foroniny sy soratany ho an'ireo manodidina azy. Ohatra : "Tiany anao" nosorotany ho an-drainy izay nandao azy fony mbola kely, "Dago malala" izay nosoratany ho an'ny tanindrazana sy ny mpiray tanindrazana, hisalorany mazava ho azy ny anarana Menalamba. Miangaly gadon-kira maro samihafa Gtika nefa tsy mivoana anaty tontolon'ny mozika mainty indrindra fa ny Hip Hop. Hita soritra eny ami'nny sangan'asany ny anarany izay nosintomina tamin'ny teny malaza hoe: "Gothique".
Eo am-pikarakarana ny raki-kira mixtape izy ankehitriny , hizarany amin'ny mpakafy ny hira rehetra izay mbola tsy nivoaka.

Hevitra momba an'i Gtika Menalamba

Mbola tsisy nametraka hevitra

Hiran'i Gtika Menalamba (5)

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.018