You are here: home > Tononkira > Mpihira rehetra

Groupe NAINA

1708

Nampiditra : pinou
Tamin'ny : 11/12/2015 12:44:54

Mombamomba :
Ny Groupe Naina dia  fikambanana mitory ny filazantsaran'i Jesoa Kristy amin'ny alalan'ny hira fideràna sy ny dihy. Niforona tamin'ny avrily 2010 ny tarika ary tanora maromaro samy efa resy lahatra amin'ny asam-pamonjen'i Jesoa Kristy no mandrafitra azy. Tsara homarihina nefa fa fikambanana tsy miankina amin'ny fiangonana ny Groupe Naina ary ny mpikambana dia samy manana ny fiangonana hanaovana ny asam-panompoany avy.
Tsy mifidy ary tsy manavaka fiangonana na fikambanana na olon-tsotra iaraha-miasa ny Groupe Naina, izay miompana indrindra amin'ny asa fitoriana ny filazantsara, na eto an-toerana izany , eny fa na hatrany am-pitandranomasina aza.
Araka izany dia tsy mifidy toerana sy andro na fotoana iasàna ny Groupe Naina, araka ny baikon'i Jesoa Kristy hoe :"Mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana na tsy amin'ny fotoana; mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra." 2 Timoty 4:2 ; ary koa ny hoe : "Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany". Asan'ny Apostoly 1:8.

Hametraka hevitra

Midira aloha