You are here: home > Tononkira > Mpihira rehetra

Groupe Daniel

2388

Nampiditra : letoa
Tamin'ny : 23/06/2018 22:37:36

Mombamomba :
Lasa ilay zanaka adala
Nandao ny rainy ka niala
Omeo ahy ry dada ny harena                              
Aleo re aho mba ahalehotena                            
Nalahelo azy mafy ny rainy                          
Ny amin’ny ataon’ity sombiniany                      
Nanafatra izy talohan’ny hialany                        
Izaho anaka miandry anao ihany                        
Ka lasa ilay zaza nandeha
‘lay nihevi-tena hoe lehibe
Falifaly ery, nihomehy
Dia niliba tany rehetra tany
Ny vola moa nihalany nihalany
Nahantra mihintsy moa nihafarany

Tonga saina avy eo ‘lay zanaka adala
Any izay I Dada Malala
Any anagamba fety isanandro                          
Sady tsara ihany koa ny nahandro                    
Tapa-kevitra avy hatrany dia lasa
Hifona aho na dia hoataony mpiasa                                      
zay ny hevitra efa tao an-tsainy                        
Ny handohalika raha vao hitan-drainy              
Kanjo tsy izany anefa avy eo no nitranga
Vao tazan-drainy nanangasanga
Nihazakazaka izy tsy naharay lamba
Dia an-dranomaso no nitsenany
‘lay zanaka maditra mpandany
Inty ny zanako hitako ihany


Fahitako aloha dia tena sahala
Ny olombelona sy ‘lay zaza adala
Niala tamin’Andriamanitra Ray
‘nefa tsinontsinona akory ‘hay
‘zay tonga saina androany dia miverena
Efa vita mantsy ny famonjena
Hilazao satana mandehana miala
Tonga saina hoe ‘lay zanaka adala
Ka avelako ianao satana ho eo
‘zaho koa mantsy efa tena leo
Ny fitapitaka nataonareo
Ka iny aho ny lasa dia andeha
Jesosy miandry ahy efa ela be
Miandry ahy amin’ny fifaliana be
Ka avelako hianao satana ho eo
‘zaho koa mantsy efa tena leo
Ny fitapitaka nataonareo
Ka iny aho ny lasa dia andeha
Jesosy miandry ahy efa ela be
Miandry ahy amin’ny fitahiana be

Hametraka hevitra

Midira aloha