Big MJ

Nampiditra dadabiry
08/12/2014 23:11
Hiran'i Big MJ 14 Jereo eto
Vangy : 17045
Mpankafy : 0 Ankafizo
Parfait no tena anarany, teraka tamin'ny taona 1988 izy. Antalaha no fiaviany sy nahalehibe azy fa efa nahazo ny diplaoma baccalauréat izy vao nifindra tany Antananarivo.
Dihy no tena nanavanana azy tany am-boalohany fa tamin'ny taona 2002 izy vao nanomboka nanoratra tononkira.
Big MJ no anarana nofidiany entina an-tsehatra, Big satria faniriany hatrany ny ho lehibe, ary MJ - Manafo Joby - fanagasiana ny Black Man.
Ny Hip-Hop sy ny salegy no tena manavanana azy ary noezahany natambatra ireo gadon-kira roa ireo.

Hevitra momba an'i Big MJ

dadabiry (08/12/2014 23:26)
Ravady

Wouoh oh wouoh oh wouoh oh wouh oh
Oah ravady eh
Mila anao za
Tia anao za
Cherie eh eh
Oah ravady eh
Mila anao za
Sambatra eky za
Managna ano
Managna ano

Tsy kiniako cherie mamaraha
Fa anao tiako loatra baby
Tsy kinianko mamy koa jaloux
Fa anao tiako loatra doudou

Isaka anao miboaka
Jeriko ty voapoka
Lavitry za mitroatra
Marikitry za mafoaka

Misy raha tsy mazavazava
Mba tiako izikoa mazava
Mahasambatra fiarahagna eh

Oah ravady eh
Mila anao za
Tia anao za
Cherie eh eh
Oah ravady eh
Mila anao za
Sambatra eky za
Managna ano
Managna ano

Faraha koa fa tafahoatra
Fitiavako anao mihoatra
Anao koa mitera loatra
Masoko mila hatsoaka
Fotony anao ninaka
Anjeliko anao aminaka
Tsy ambalako antagna’ny hafa
Loveko tsy asoloko hafa

Telephony misony tsy tapaka
Tsy tafipetraka za mikorapaka
Mifandefitry mahatsara olo miaraka
Mitandregny vavan’olo mampisaraka
Ndraiky miady hely ndraiky milamigny hely
Ndraiky milamigny hely ndraiky miady hely
Mbola tsirony fo zegny eh eh

Wouoh oh wouoh oh wouoh oh wouh oh
Oah ravady eh
Mila anao za
Tia anao za
Cherie eh eh
Oah ravady eh
Mila anao za
Sambatra eky za
Managna ano
Managna ano
Yeeh eh eh
Yooh oh oh

Hiran'i Big MJ (14)

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1447