You are here: home > Tononkira > Mpihira rehetra

ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA

1338
Ny Antokom-pihira FEO MAMY dia niorina t@ 23 Septambra 1977
Manana mpikambana 120 izay tarihan'ny filohany RAKOTOMALALA Jean Olivier sy ny filoha mpanampy HonorĂ©, ahitana mpamoro-kira telo:RAKOTOMALALA Jean Fils, Lalao, Michel.Mitory ny filazantsara @  hira fiderana.Ho famaranana ny faha 35 taona nihorenany ary dia mahafaly anay ny manasa anareo hanatrika ny herinandron'ny fiderana izay atao ao @ FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA izay fiangonana nipoirany ny Alatsinainy 17 hatr@  Zoma 21 Septambra 2012 manomboka @ 6 sasany izay hiarahana @ ireto Antokom-pihira manaraka ireto: AKON' NY PARADISA FJKM ANKADINDRAMAMY, NY RIAM-PEO AMBATOBE, TIA ANDRAISORO, HOSANA AMBOHIJATOVO FITIAVANA, MAINTIMOLALY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA ary ny Alahady 23 Septambra maraina dia fiaraha midera an'Andriamanitra sy ho fitsofan-drano ny fikambanana ary fizarana marim-pakasitrahana  ny mpikambana sy ny mpanohana rehetra ny hariva manomboka @ 2 sasany dia antsa-piderana miaraka @ FEO MAMY sy ny MAINTIMOLALY ao an-toerana ihany.Koa mangataka vavaka mba halavorary ny asa nampetraky ny Tompo aminay misaotra indrindra tompoko.

Lisitry ny hira

Hampiditra hira

Hametraka hevitra

Midira aloha