Amboarampeo Faravohitra

Nampiditra Fiffi
24/05/2007 17:20
Hiran'i Amboarampeo Faravohitra 10 Jereo eto
Vangy : 5348
Mpankafy : 0 Ankafizo

Hevitra momba an'i Amboarampeo Faravohitra

Fiffi (26/05/2007 08:06)
Ny antoko AMBOARAMPEO ao amin'ny FJKM Tranovato Faravohitra dia niorina tamin'ny taona 1959 ary ny chef RANDRIA no namorona azy .
Iray amin'ireo mpikambana mpanorina no filoha mpitarika dia i Roger RATSIMBAZAFY .
Mahatratra 80 eo ho eo ny mpikambana ao anatiny ary azo sokajiana ho isan'ny antoko mpihira mahay mampiara-peo indrindra eto amin'ny Nosy izy .
Tamin'ny alalan'ny fifaninanana iraisam-pirenena no nahavoafidy azy hitondra ny fanevan'i Afrika sy Azia Atsimo Andrefana tany amin'ny festival lehiben'ny tananan'i New York tamin'ny taona 1974 .
Maro karazana ny hira iangaliany , eo ireo taratry ny fanahy Malagasy , eo koa ireo kilasika tsy tontan'ny ela , ary ireo hira tsy manan-tsisintany .

Hiran'i Amboarampeo Faravohitra (10)

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111