You are here: home > Tononkira > Mpihira rehetra

Akon'ny Lanitra Mihira (Alarobia Mahafinaritra)

2493

Nampiditra : Herizo15
Tamin'ny : 27/11/2018 12:47:20

Mombamomba :
SALAMO 145: 1 "Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, Sy hankalaza ny anaranao mandrakizay doria."
Antoko Mpihira evanjelika niorina ny taona 2009, ary mivohy ny gadona GOSPEL @ ankapobeny.
Ny mampiavaka azy dia saika ahitana tanora kristiana avy amin'ny fiangonana kristiana rehetra (FJKM, Loteriana, Katolika...) eto Nosy-Be izy. Ankoatr'izay dia maro ny sokajin-taona hita @ireo mpikambana satria misy ny tena mbola ankizy ary misy koa ny efa lehibe, izay sady mpitaiza no mandray anjara mavitrika @fanompoana. Isaky ny Alarobia hariva no fotoana fanatanterahany ny anjara fanompoany ao @ FJKM Ziona Famonjena Nosy-Be.
Misokatra @fiaraha-miasa rehetra ihany koa ny Antoko Mpihira, ary matetika mahazo fanasana avy @ireo fiangonana rahavavy toy ny Rhema sns...

Hametraka hevitra

Midira aloha