Dada sy Neny (ZOUZOU)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iza no tiako i dada sy neny
Fanontaniana tsy valiko ireny
Fantatro fa tsisy tombo sy hala
i neny no tiako fa i dada malala

Tiako avokoa ary tiako tokoa
Tsy mba avy eo imolotra fa avy ao am-po
Tsy misy mahasolo ny vitan'i neny
Kanefa tsy feno raha tsy eo i dada

Ref: Anisan'ny olona tena tsy foiko i neny
I dada ihany koa efa olona tiako hatrizay
Ny ahy ny angatahako hananan'ireo tombon'andro
Mba ho ela velona ireo nahitako masoandro
(2x)

Endrey ireto izy efa osa tokoa
Ny volony fotsy, efa sola ny loha
Indrisy nilaozany ny hatanorany
Izany tokoa no fiainana an-tany

Izaho aza mba efa an-taonany maro
Fa misy kamboty amam-bolana ihany
Mba mibadabada vao miana-miteny
Lahatra tsy hiodivirana ireny

Ref: Anisan'ny olona tena tsy foiko i neny
i dada ihany koa efa olona tiako hatrizay
Ny ahy ny angatahako hananan'ireo tombon'andro
Mba ho ela velona ireo nahitako masoandro
(2x)

Iza no tiako i Dada sy neny
Fanontaniana tsy valiko ireny
Fantatro fa tsisy tombo sy hala
I neny no tiako fa i dada malala
Tiako avokoa ary tiako tokoa
Tsy mba avy eo imolotra fa avy ao am-po
Tsy misy mahasolo ny vitan'i neny
Kanefa tsy feno raha tsy eo i dada

Anisan'ny olona tena tsy foiko i neny
I dada ihany koa efa olona tiako hatrizay
Ny ahy ny angatahako hananan'ireo tombon'andro
Mba ho ela velona ireo nahitako masoandro
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ZOUZOU
Vangy : 2952
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Gasytsar
Daty : 12/11/2014 19:36
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 2.2234