Ilay mpangataka (Zopanage)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry zatovo izay mandalo
Azafady mivilia
Aoka kely aloha ny kalo
Miereha, mandiniha
Moa tsy hitanao ve irony
Zazakely mitakoko
Eo anilany eo koa
Lahy antitra manjoko

Indrisy jamba ilay rangahy
Sady angamba koa marary
Iza anefa no hiahy
Ny havana, nanary
He jereo ny fitafiany
F'efa rotika sy maloto
Mafy be ny fihafiany
Fa ny vintana nanoto

Eo no miharitra hafanana
Ny hatsiaka no sakaiza
Mba maniry hikorana
Saingy ory ka ho aiza
Hany hery sisa
Manatsotra izato sandry
Ka miandry anao mandalo
Miangavy izay homena




Tonony (tononkalo) : Rafanoharana
Feony : Zo Rahamison
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Zopanage
Vangy : 2661
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 18/08/2014 10:51
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0619