Aza ilaozanao (ZEZE Mahanoro)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aza ilaozanô rô zaho e
Mangina loatra hany aho e
Aza ilaozanô izaho ho'aho malala e
Satria tsy mahafoy anô
Aza ilaozana rô zaho e
Tia anô hany aho e
Malama be re ny làlana
Tantanonao rô tagnako
Malama be re ny lalana
Veka aminô zaho e

Aza ilaozanô rô zah e
Oh tsadia hagny aho
Aza ilaozana ro zaho malala
Satria tsy mahasaraka anô
Aza ilaozanô rô zah e
Tsy mahatôkagna aho e
Maizina be re ny làlana e
Tantanonô rô tagnako
Maizina be re ny làlana
Tara aminô zaho e

Matetika zaho ato an-dragno ô
Tsy mahavita raha hagniny
Mihodina ankatsy indô miasa loha
Tsefa mba nahatagnika kafe
Mazàna mandramby fandriagna
Mivadibadika tsy mahita tory
Mivadika akatsy, mivadika aroa
Matetika zah tsy tafandry e

Aza ilaozanô ro zaho e
Mijaly loatra hany aho
Aza ilaozanao izaho ho'aho malala
Satria aho manam-pitiavana anô
Aza ilaozanao ro zaho e
Fôka aminô anie ah
Lalina re ny rano hitsahina e
Tantanonao rô ny tàgnako
Lalina be re ny rano
Potika aminô zah re
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ZEZE Mahanoro
Vangy : 2353
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 11/01/2017 20:16
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1197