You are here: home > Tononkira > ZEZE Mahanoro

Atolotro anao (ZEZE Mahanoro)


?Atolotro anao e,  ity hirako ity e, ah mama
Atolotro anao tsy am-pihambahambana, atolotro anao
Fahatsiarovana anah fony anah mbola kely e
Nikolo sy nitaiza,
Mandram-pialana tety an-tany tety

Hiraiko ho anao e, lay kalom-pitia e, ah mama
Fitiavako anao tsy misy tomika, hiraiko ho anao
Fony izaho mbola kely tantanana foana
Naditra be famaly
Ankehitriny ifonako aminao

Ehtononkira.serasera.org tsaroako foana e, ny daty nandaozanao ahy
Eh tsaroako foana e,  ny andro nandehananao
Tsy maty ato am-poko ny momba anao, neny
Fa voatahiry mandrakizay
Fehim-boninkazo atolotro anao

Eh tsaroako foana e, ny daty nandaozanao ahy
Eh tsaroako foana e,  ny andro nandehananao
Tsy maty ato am-poko ny momba anao, neny
Fa voatahiry mandrakizay
Fehim-boninkazo atolotro anao
Fehim-boninkazo omeko foana anao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : ZEZE Mahanoro
Mpamaky : 160
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 11/01/2017 18:59:15
ID : 9066

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo