You are here: home > Tononkira > 'Zay

'Ty toetranao ('Zay)


‘Reo fombafomba ratsy hatrizay izay nahazatra anao,
‘lay tiatiakely nahatamàna anao, nataonao fanao.
‘Lay fahazaran-dratsy tia mandray, etsy sy eroa,
fitiavan-tena diso tafahoatra, mibàhana ao an-doha.

Mahamenatra ny ataonao, ka ajanony any ‘zao dia izao !
Efa arakay ny toetranao
ka ajanony izao dia izao !

Izay nafafy ihany no hojinjaina aoriandriantononkira.serasera.orga ao.
Ny tody anie tsy misy fa ny atao no hivaly aminao.
Na mety aza ny ataonao izao, saino ihany ny hoavy.
Ny androany anie tsy ho rahampitso, ka tandremo ihany.

Tsy efa ampy ve ny hatrizay,
no manao foana ianao, tsy mety fay ?
Izay tratra anie ka hahamay.
Ka mba miova !

Mahamenatra ny ataonao,
ka ajanony any ‘zao dia izao !
Efa arakay ny toetranao
ka ajanony izao dia izao !!

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : 'Zay
Mpamaky : 6878
Mpakafy : 2 Ankafizo
Nampidirin'i : bitika
Tamin'ny : 09/04/2004 03:39:59
ID : 2337

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo