TSY HOLAZAIKO ('Zay)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy holazalazaiko anao, tsy hotantaraiko
Fa ao anatiko ao mbola misy azy foana
Na dia tsy eo intsony aza ny salovantavany
Tsy haiko novonoina ny anarany

Na dia teo aza ianao nisolo toerana azy
Mbola henoko hatrany ny fahabangany
Na dia tsy eo intsony aza ny salovantavany
Tsy haiko novonoina ny anarany

Izany rehetra izany anefa,
Tsy natao hanimbana anao
Fahatsiarovana mitoetra, hijanona ho ahy
Fa raha ilay fiarahantsika, mbola hitohy tsy ho vita
Fa ny tsiaroko azy kosa hijanona ho ahy

Na dia teo aza ianao nisolo toerana azy
Mbola henoko hatrany ny fahabangany
Na dia tsy eo intsony aza ny salovantavany
Tsy haiko novonoina ny anarany

Izany rehetra izany anefa...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : 'Zay
Vangy : 4206
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : sedera
Daty : 04/08/2003 08:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728