Tsy afaka ao an-doha ('Zay)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : 'Zay
Mpamaky : 4412
Nampidirin'i : pisoin
Tamin'ny : 04/05/2005 07:05:18
ID : 3089

Imprimer Facebook Facebook
Taona maro lasa izay
Tsy nihaonantsika izay
Saingy hatramin’i zao aloha
Dia mbola tsy afaka ao an-doha
  Ireo natao teo aminao
  Heno foana mihelohelo ao
  Asa ianao raha ohatra ahy
  Mbola mahatsiahy

Tsy hoe lafatra daholo
Ireo rehetra manontolo
Saingy tsapa fa mitoetra
Ireo fahatsiarovana rehetra
  
Ireo natao teo aminao
  Heno foana mihelohelo ao
  Asa ianao raha ohatra ahy
  Mbola mahatsiahy

           ref: Na ireo vazivazy izay fanaonay
                 Mandalo foana ao an-tsofiko ao
                 Na ireo adiady izay nandratra ilay fo
                 Mbola reko avokoa
                 Tsy mety afaka ao an-doha

Mahatsiaro ka miventso
Ireo tsiky sy ireo sento
Fa tsy ho haverina intsony
Ilay tantara efa nikomy
  ireo natao...
  ... mahatsiahy
             ref:...

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo