Nolalovanao ('Zay)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lay nofinofy mamiko hatrizay
Lay noheveriko tsy ho tò intsony
Hoe hiaina anaty fitiavana iray toy ny anaty horonantsary
Hoe tsy ho tsaroako intsony ny rehetra
Ny saiko hangina fa ny foko hitroatra
Ho afaka hitempo fitia tsy voafetra, hitia tsy misy fepetra

Nolalovanao vao tsapako fa hay lay nofinofy iray ho tanteraka amin'izay
Nolalovanao ka fantatro fa ianao ilay fitiavana iray tanaty nofiko hatrizay

Noheveriko fa tsy mba izaho
No ho tojo olona iray dia ianao
Ka hiparitaka tsy hahalala intsony ny ambany sy ny ambony
Nihoarako daholo ireo fefy
Tsy henoko intsony ireo zay niteny hoe tsy mety
Ny hany tsapako, fo feno fifaliana fa tojo fitiavana niriana

Nolalovanao vao tsapako fa hay lay nofinofy iray ho tanteraka amin'izay
Nolalovanao ka fantatro f'ianao ilaly fitiavana iray tanaty nofiko hatrizay

Ka fantatro f'ianao ilay fitiavana iray niriko ho mandrakizay
--------
Rohy:
Hevitra
maxf2303 ( 04/05/2017 07:55)
nolalovanao
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : 'Zay
Vangy : 57607
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : ari.malala
Daty : 23/10/2014 13:36
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0736