Malala ('Zay)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mando lava ilay mosoara
Amafana izany tava
‘Lay tava kotsan-dranomaso
Satria tomany foana anao

Ilay sarinao tavela tato an-trano
No mba nanariana dia isan’andro
Nefa tsy mety miteny, tsy mamaly,
Ireo antsoantsoko ;


Ref : Hoe : tsy mahasaraka é !
Tomany anao Malala, tomany anao
Hoe : tsy mahasaraka é !
Tomany anao Malala, tomany anao


Tsy mety hazoto fa malaina
Malaina mihetsika
Matetika no lasa saina
Mahatsiahy ny anilanao

Ilay sarinao tavela tato an-trano
No mba nanariana dia isan’andro
Nefa tsy mety miteny, tsy mamaly,
Ireo antsoantsoko ;

Ref : Hoe : tsy mahasaraka é !
Tomany anao Malala, tomany anao
Hoe : tsy mahasaraka é !
Tomany anao Malala, tomany anao

Tomany, tomany
Tomany te-ho any
Te-ho any aminao.
Dia tomany anao Malala a !
Tomany anao !
Dia tomany tsy tamana
Tomany anao !
--------
Rohy:
Hevitra
goodnssgirl ( 01/07/2017 14:04)
How are you today.I will like to discuss important issue with you.Please write me through this email joylentreya014@yahoo.com so that i will explain to you send you my picture
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : 'Zay
Vangy : 11916
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Heriniaina
Daty : 21/10/2001 23:10
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134