Indray andro any ('Zay)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : 'Zay
Mpamaky : 3285
Nampidirin'i : endrehina
Tamin'ny : 02/06/2007 10:54:26
ID : 4485

Imprimer Facebook Facebook
Niondrika ianao tsy nahajery ahy
nilaozan’olo-tiana ka mangahiahy
ilay tavanao kotsan-dranomaso
manantona aty avia etsy hofafako (2fois)

Ireo tambitambinao ireo safosafonao
nataonao tamin’ny fo tam-pitiavana avokoa
ka tsy hanenenanao satria tsara ireo natao
indray andro any izy indray no hitomany anao

Ilay fonao mbola tia tsy haiko atao ahoana
saino koa fa mandeha ihany ny fotoana
izy anie efa lasa tamana any an-kafa tsy aleo ve manorim-piainana vaovao( 3fois)