Averiko aminao ('Zay)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Toa misy ahiahy ao aminao mikasika ny fitiavako
Hoe hatraiza ny halaliny ndrao handratr'ilay fo
Nefa tsy sahy milaza fa toa matahotra mmh mmh
Indro averiko aminao izay efa nambarako

'Lay foko izay tony dia tony tamin’iny
no efa nanambara izay tena tiany
Voatonona tao ny anaranao
ka tsy miova izany

Hatramin’izay aho tsy mba nisehoseho
tsy dia nanao be fiavy
tsy ny fitia akory no tsy ampy
ka nahatonga anao hanavy
nefa tsy sahy nilaza fa toa matahotra
indro averiko aminao 'zay efa nambarako

'Lay foko izay tony dia tony tamin’iny
no efa nanambara izay tena tiany
Voatonona tao ny anaranao
ka tsy miova izany hatramin’izao
Izay midika fa ny foko anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : 'Zay
Vangy : 31806
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 18/09/2003 19:18
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3189