Averiko aminao ('Zay)

Mpihira : 'Zay
Mpamaky : 4102
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 18/09/2003 19:18:33
ID : 1944

Toa misy ahiahy ao aminao mikasika ny fitiavako
Hoe hatrizay ny halaliny ndrao handratra ilay fo
Nefa tsy sahy milaza fa toa matahotra
Indro averiko aminao izay efa nambarako

       Ilay foko izay tony dia tony tamin’iny
       no efa nanambara izay tena tiany
     Voatonona tao ny anaranao
       ka tsy miova izany

Hatramin’izay aho tsy mba nisehoseho
tsy dia nanao be fiavy
tsy ny fitia akory no tsy ampy
ka nahatonga anao hanahy
nefa tsy sahy nilaza fa toa matahotra
indro averiko aminao izay efa nambarako

         Ilay foko izay tony dia tony tamin’iny
         no efa nanambara izay tena tiany
      Voatonona tao ny anaranao
         ka tsy miova izany hatramin’izao
         Izay midika fa ny foko anao

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo