You are here: home > Tononkira > 'Zay

Anio ('Zay)

Taona maro no efa nahalalako anao, niarahana
Zary lasa fahazarana ny miaraka aminao
Toa adinodino tsy tsaroana ireo tambitamby
Ireo teny mamy, safosafo, angola
Izay fanaontsika hatramin’izay

Anio aho hilaza, hanamafy ilay ao anatiko ao
Anio aho hilaza, fa mbola tia anao
ATsiky dia ampynio aho hilaza, hanamafy ilay fitiavako anao
Anio aho hilaza, fa mbola tia anao

Ho averintsika indray manomboka izao,ireo fanao taloha
Ireo fombafomba nahazatra ahy sy anao
Fony vao niandoha
Fo vaovao indray no hiara hitepo, ka hamerina
Ireo teny mamy, safosafo, angola
Ka atao fanao @ izay
Anio...

Hevitra mandeha

harisoa16 (23/10/2016 07:02:49)

Milay e

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : 'Zay
Mpamaky : 7234
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Sedera
Tamin'ny : 12/08/2003 10:16:56
ID : 1862

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo