Ny atý (Xhi sy M'aa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny atý, ny omaly tsy miova ny atý
Ny atý, malamalana ny atý
'Zah atý, tsy miova firy aho atý
Mitady lava ny tsy ho azo
Miandry lava ny tsy ho avy
Tsy salama tsy manavy

Ny andro, na tsara koa na ratsy ny andro
Ny andro, raharahan’iza koa ny andro
Ianao any, adinonao izao ilay tsika
Ilay tsika sy ny kakakakantsika nahavaky trano
Ilay tany an’olona iny omaly

Indraindray, raha mijery fitaratra aho
Indraindray, toa eo akaiky eo ianao
Tsy hahatsapako f' izaho irery irery anie
No velon-dratsy, kiriana lava isakin’izay mandeha
F'ianao kosa izany ve ?

Ianao kosa, adinonao zao ny resabentsika
Tsika roa, nifankatia tsika roa
Nisy e tokoa anie izany
Hadinonao daholo izao
Izany rehetra rehetra izany

Ny atý, ny omaly tsy miova ny atý
Ny atý, na nanananana ny atý
Tsy miova firy, mitrena lava ny tadio

Mangina loatra ny atý
Toa ireny efa hitanao ireny
D'izaho koa no mbola tia
Tia anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Xhi sy M'aa
Vangy : 2580
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 27/09/2017 19:13
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0253