Finaritra (Volatiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
He tsara ery
’Nareo mandihy
Izaho mankafy
Mahita andry
Finaritra ery
Meva, soa , finaritra e

Fa tsara koa
Izaho raha toa
Mijery lasa ambiroa
He kanto tokoa
Miaina zava-tsoa
Meva, soa, finaritra e

Izaho koa ety
Toa mba very dia
Mitazana andry

Tena kanto mihitsy
Indry raha mikipy
Nefa velon-tsiky

Toa efa vita tetika
Ianao raha mihetsika
Mandihy fa tsy pelika

Izaho mahita anao
Zaza milalao
Toa olom-baovao

Hitako eo indry
Tena mankafy
Mandihy dia mandihy

Toa mirana sy faly
Lavitry ny jaly
Mandihy dia mifaly
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Volatiana
Vangy : 3450
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 20/09/2002 14:07
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0789