Voasoratra (Voice For Light)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andriamanitra Ray, nanavotra ahy
Ianao nanasa sy nanadio ahy;
Reo fahotako, reo adalako
Nofafanao mba tsy andrakotra ahy
(x2)

Fiv: Ny fiainako ry Ray
Dia ho ankiniko Aminao;
Ny olana saro-bahana,
Dia tsy hanan-kery raha mbola Ianao no Raiko.

Manomboka izao dia tsy ho irery aho
fa navotanao mba tsy ho very;
Zava-poana aho raha tsy eo Ianao
Manantena ny fiainam-baovao.
(x2)

Fiv: ..........

Voasoratra aho
Voavotra aho
An-tranon-dRay
Ho mpandova aho rahatrizay.
Misaotra aho, misaotra aho!
Misaotra Anao zahay!
O ry Ray!

Fiv: .........
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Voice For Light
Vangy : 1010
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : naty06
Daty : 30/01/2019 22:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3502