Derao (Voahirana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy misy any an-danitra, tsy misy ety an-tany
Iriako toa Ianao
F’izao rehetra hita izao,Nataon’ny tananao
Ka matalanjona ahy

REF:Deraiko, deraiko Ianao, Deraiko tsotr’izao
Fa lehibe tokoa
Deraiko fa Andriamanitro, tsy manam-paharoa
Mahagaga ahy tokoa

Mpanjakan’ny tontolo Hiainako ianao
Mamorin’izao rehetra izao
Satriko foana no Hankalaza anao
Ry Tompo tia tsy mba mandao

REF: Deraiko......

Tena kanto loatra Ianao
Mihaotra izao rehetra izao
Tsy misy izay azoko hoharina aminao
o!o!o! Ianao JESO

REf: Deraiko
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Voahirana
Vangy : 3823
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Missie
Daty : 04/12/2004 09:45
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0721