Tofoka aho (Voahangy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsio-drivotra malefaka
No nampitony ity fo nilaozanao
Atao ahoana indray ny hamerina
Ireny efa vitanao

Ireo lasantsika rehetra ireo
Hevero ho toy ny zavatra tsy nisy
Atao ahoana indray ny hamerina
Ireny efa ravarava
an an an ahan
ouu ouu ouu

Ravarava izao ireo nofinofimpitia
Izay niarahana taminao
Sarotra amiko ny hanadino ho doria
Ireo ratsy vitanao

Ny foko tsy hitony ka
Tsy hanaiky intsony ny fiverenanao
Sarotra amiko ny hanadino ho doria
Ireo fitapitakao
an an an ahan
ouu ouu ouu

Ireo lasantsika rehetra ireo
Hevero ho toy ny zavatra tsy nisy
Atao ahoana indray ny hamerina
Ireny efa ravarava
an an an ahan
ouu ouu ouu
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Voahangy
Vangy : 4108
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : jantina
Daty : 15/09/2012 09:53
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0125