Ny lalako (VLM Itaosy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
NY LALAKO

1. Ny eo akaikinao no faniriako
Ry Tompo soa, 'lay Tsitoha, Andriamanitro
Ny tananao mahery no ifikirako
Ka ny lalanao no lalako

Nanota taminao aho Andriamanitra ô
Mba mamindra fo amiko fa diso lalana aho
Ampahafantaro ny heloko aho Jesosy ô
Ahaizako miverina aminao

Fiv: Jesosy ô! Inty aho e,
Mifona aminao fa meloka re
Tsy nahalala akory izay lalan-kombana
Ankehitriny aho raiso tsy ho naman-tsatana

2. Ampio aho fa sarotra ny dia
Manjaka anatiko ao tokoa ireo fakam-panahy
Ny handao anao ry Ray dia sanatria
K'aza avelanao hangaihay

Fiv: Jesosy ô! .........

3. Fanahy Masina ô mba mitariha
Vimbino re fa sao sembanim-panahiana
Amin'izao sisa izao aho Tompo ô
Hanompo anao ka raiso an-tratranao

Fiv: Jesosy ô! .........

Ankehitriny aho manolo-tena ho anao!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : VLM Itaosy
Vangy : 1462
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : tahiry_izy
Daty : 03/06/2015 13:37
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0898