Faly tsika (VLM Ampitankely)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Faly tsika baba!
Fa tonga ny Noely
Faly tsika neny!
Fa tonga ny Noely
Faly tsika zoky!
Fa tonga ny Noely
Faly tsika zandry!
Fa tonga ny Noely

Fiv Fa Zaza no teraka
Teraka ho antsika
Zazalahy nomena
Nomena mba ho antsika

1.Iza moa no Anarany e
Izy no Imahagaga
Iza moa no Anarany e
Izy no Mpanolotsaina
Iza moa no Anarany e
Andriamanitra Mahery
Iza moa no Anarany e
Rain'ny mandrakizay
Mandrakizay
Andrian'ny fiadanana

Derao ankalazao
'Lay Mpamonjinao
Derao ankalazao
F'Izy tia anao
Derao ankalazao
Teraka anio
Derao ankalazao
Izy no fidio

Fiv Fa Zaza no teraka
Teraka ho antsika
Zazalahy nomena
Nomena mba ho antsika

2.Iza moa no Anarany e
Izy no Imanoela
Iza moa no Anarany e
'Lay Mesia nandrasana ela
Iza moa no Anarany e
Izy no Mpamonjy antsika
Iza moa no Anarany e
Izy no Jesosy
No Jesosy
Zanak'Andriamanitra

Derao ankalazao
'Lay Mpamonjinao
Derao ankalazao
F'Izy tia anao
Derao ankalazao
Teraka anio
Derao ankalazao
Izy no fidio

Fiv Fa Zaza no teraka
Teraka ho antsika
Zazalahy nomena
Nomena mba ho antsika

AC RALAINIRINA Valitera
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : VLM Ampitankely
Vangy : 987
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : fansDiez
Daty : 25/01/2019 15:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0722