Zanaka adala (VLM 67Ha)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
He menatra aho ry Raiko
Ny hihaona Aminao ndray
Fa he ny hadalako mandrakotra fanahy
Tsy mendrika intsony ny atao hoe zanakao Ray
Tsy sahaza ahy akory ny hoe mpanomponao

Anefa fantatray ry Ray fa ny fitiavanao anay
Tsy miova tsy mifindra
Tsy miova fa ho mandrakizay
Ny famindram-ponao tsy hoesorinao aminay mandrakizay ry Ray
Tsy ho esorinao aminay ny faneken’ny fihavanana

Ray be fitia raiso anio ty zanakao
Efa nania nefa maniry ny hihavao
Zanaka adala tokoa, tsy nahalala ny soa
Ka mba diovy hadio ho vaovao mendrika Anao

Fa hainao na tsy hambara ny nofonay malemy
Maniry hanao ny tsara mba te ho soa ombieny
Kanefa indrisy mantsy toa resy lava ihany izahay
Ny fandrik’ilay ratsy misesy tsy hita lany

Anefa fantatray ry Ray raha eo anilanao izahay
Na mafy ny ady izay tsy maintsy hosedraina amin’ny fiainanay
Ianao lay Tompon’aina hampandresy anay ho mandrakizay
Ny herinao tsy hay tohaina hamomba anay amin’ny fiainanay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : VLM 67Ha
Vangy : 1492
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : TOUNAX
Daty : 16/04/2017 20:09
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0769