Omeo an’i Jesoa (VLM 67Ha)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Omeo an’i Jesoa ny entanao
Ny zava-drehetra, ny zava-drehetra hainy atao
Na mangeja aza io fahazaran-dratsy io
Omeo an’i Jesoa sasany hadio
Ny olanao rehetra
Ny sentonao rehetra
Aza mangatak’andro ianao
Ny fo tsy madio
Ho itanao anie
Omeo an’i Jesoa sasany hadio

Ô mijoroa, mba ho vavolombelona
Amin’ny zava-drehetra
Amin’ny zava-drehetra izay atao
Ka ny ho avy mamirapiratra no andrandrao
Omeo an’i Jesoa ny fiainanao
Ny olanao rehetra
Ny sentonao rehetra
Aza mangatak’andro ianao
Ny fo tsy madio
Ho itanao anie
Omeo an’i Jesoa ny fiainanao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : VLM 67Ha
Vangy : 1699
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : TOUNAX
Daty : 16/04/2017 18:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3275