ANTSO (VLM 67Ha)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Zao hiranay izao no ventesinay
Mitondra ny feon'ireo namanay
Mahatsiaro fijaliana
Satria ampahorian'ireo lehilahy mamolava ireo

Tebiteby lalandava no iainany
Zany fitoniana izany tsy mba fantany
Vono, kapoka no iaretany
Teny mandratra fo hatrany no henony
Mijaly izy ireo, mijaly

Ref: Mitaona anareo izahay, nareo zay mbola tamana
Amin'io fisotro ratsy io, tsy mahasoa io ndao ialàna
Fa ny fiainanao hihavao kokoa
Ny ankohonanao ho soa tokoa
Raha alavirinao io fisotro io
Amin'ny anaran'I Jesosy Tompo, lay tena tiana anao
Ho afaka ianao ka manatona Azy izao dia izao

Zaza maro no injao renao mitoreo
Tomany lava sy toloko no iainan'izy ireo
Mahatsiaro hoe tsy tianao
Tsy mba mahazo izay iriana
Fa ny rainy toa variana milalao

Ny fiainany izay tokony ho soa
Zary lasa zioga mavesatra tokoa
Alahelo hatrany hatrany
Kiakiaka sy tomany no mba hitany
Mijaly izy ireo

Ref: Mitaona anareo izahay, 'nareo izay mbola tamana
Amin'io fisotro ratsy io, tsy mahasoa io ndao ialàna
Fa ny fiainanao hihavao kokoa
Ny ankohonanao ho soa tokoa
Raha alavirinao io fisotro io
Amin'ny anaran'I Jesosy Tompo, lay tena tiana anao
Ho afaka ianao ka manatona Azy izao dia izao

Jesosy ô jereonao e! reo raim-pianakaviana eto amin'ny taninay
Omeo fo tia manaja anao, omeo fahendrena koa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : VLM 67Ha
Vangy : 1504
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : VLM 67Ha
Daty : 25/02/2016 15:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1763