Ny fiainako (VICTOR SY NINAH)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny fiainako, nandositra tsy hita akory ireny fa nandalo tsy hay antsoina,
Ny taonako, dia nolaniako tamin'ny hadalana maro, sy nolotoiko
oh, ny hatanorako, feno ditra analintrisa tsy voaisa
oh indrisy efa saika very aho namoy fo vao nahatsapa fa:

hay ve lavitra anao aho, hay tsy nahalala anao aho
hay ve lavitra anao aho, hay tsy nitia anao aho (x2)

Misaotra anao fa na dia lavitra sy takona aza aho
Dia notadiavinao tanaty haizina izay nisy ahy
Na dia mpanota matimatin'ny fiainana taloha
Dia nofohazinao nantsoinao mba hifoha.

Taloha dia, ny hirahiran'ny fitia no nokaloiko, nameno fo
F'izao dia he, ny fiderana anao no tiako sy lalaiko
Henoy jeso, oh fa na mande anaty lohasaha mangina aza tsy atahotra aho
Satria ao anatiko ao, ao am-poko ao
Ao koa de misy anao

Hay mbola tinao ihany ao, hay azo novonjena aho
Na dia lavitra anao, na tsy nahalala anao aho (x2)

Misaotra anao fa na dia lavitra sy takona aza aho
Dia notadiavinao tanaty haizina izay nisy ahy
Na dia mpanota matimatin'ny fiainana taloha
Dia nofohazinao nantsoinao mba hifoha.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : VICTOR SY NINAH
Vangy : 1254
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : jegergassisk
Daty : 01/08/2016 11:55
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4506