Mpivahiny Hody (V.H.F)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha tonga ry tiako ilay androko
Tsy maintsy hodiako hitsaharako
Hikipy tokoa ireto masoko roa
Veloma Ralala ô, toneo ny fo

Efa hatrin'ny ela no fantatro izany
F'ity tany ity fandalovana ihany
Mangina Ralala ô, fafao ny tomany
Fa mbola hihaona rehefa samy tonga any

fiverenany:
Ekeko ry Tompo izay lahatrao
Mamin'ny foko izay sitrakao
Ny lalana hodiako mankany Aminao
Dia ho fifaliako raha hombanao
Ny lalana hodiako mankany Aminao
Dia ho fifaliako raha hombanao

Raha izaho no voatendry ho lasa mialoha
Ianao mbola ho avy hanaraka koa
Ny lalana hodiana iraisana ihany
Ny ahy re tiana tombon-dalana ihany

Na inon-kidona sy mety hitranga
Tsy hisy hahasolo ny toeranao banga
Tonia re Ralala aza be ahiahy
Fa miambina anao ity silam-panahy

fiverenany ..........
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : V.H.F
Vangy : 4338
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ErenAki
Daty : 05/10/2012 21:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0714