Fanabeazana (VAKAMIARINA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy ho finaritra fa iaritra
Ireo zaza kely dia miasa
Kosa ho olombaovao hanan-katao
Ireo mandia sekoly hianatra

Faha enintaona eo no fanombohana
Izany fianarana izany
Raha tiana ivelatra sy aharitra
ahomby sy ho finaritra

Hoan’ireo ankizy tsy fidiny
Tsy afa-mianatra fa ngidiny
Ny rafitra efa namoraina
Tongava an-tsekoly hikolo saina

Mamporisika anareo rehetra, ry ray aman-dreny
Hampiana-janaka ombieny
Na dia betsaka aza ny olana eny ho eny
Nareo no tompon’ny teny

Fa soa atao levenam-bola
Hampahery antsika tsy ho tola
Ny fahazotoan’ny zaza mianatra
Ny fahazotoan’ny zaza mianatra


Tonony sy feony : Nantenaina Andriamorasata (2015)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : VAKAMIARINA
Vangy : 1429
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 11/05/2017 19:16
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0125