Miholiholy (Vahombey)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Maraindraina, mangingina
Velon-kira ny voaàry, mahaliana
Miantso ho tiavina, te-ho tiana

Iry hitsikitsika miriaria
Itsy maroandavaka mikodiadia
Manara-morondranomaria

Injany miholiholy anaty
Feo mozika mamaky ambiaty
Antso Malala sarihan-tsioka
Injao mitrebona toa ambioka

Kisarisary maro mitambolombolona
Kanto, fy ery, tsy hita ho tononona
Atao akory moa, mielatrelatra ny fo
Izao maraina izao, miemponempona tokoa


Tonony sy feony : VAHÖMBEY, septambra 2016?
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Vahombey
Vangy : 1589
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 07/11/2017 12:51
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128