Masoandronao (Vahombey)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Chapô :
Toi qui promènes ta peine, qui t’attaches à un passé plein de regrets.
Ressaisis-toi, s’il te plaît, et laisse les ombres s’en aller.
Ton soleil veut briller en toi pour te montrer la voie.
Vois combien il est impatient de te partager sa joie.
Je t’en prie, il est temps. Va dans la joie. Va !...
Et que la paix soit avec toi ! »
------------------

Ho anao malomaloka endrika iny
Voarohy, voagàdra,
Voafonjan’ny fahiny.
Anatinao ao midràdradràdra
Te-hiloaka, hipoaka, hitraotra.
Ianao te-hiroso, te-hivoatra
Ho anao malomaloka endrika iny
Voarohy, voagàdra,
Voafonjan’ny fahiny
Anatinao ao midràdradràdra
Te-hiloaka, hipoaka, hitraotra
Ario izay lasa mpitroka ron-doha
Tsofy rano, aza manganohano
Isaory, ilaozy, idiviro ny taloha
Avalony avokoa
Ny masoandronao anio
Zahao, diniho
Miantso anao hoe:
Andao !
Harena sesehena
Io miandry io
Miandry ho jerena
Raiso, rombao, alao
Ento ho anao, ho anjaranao
Mason’andro anio
Masoandronao
Anjara masoandronao
Ho anao malomaloka endrika iny
Fahiny.

Tonony sy Feony : Roland VAHÖMBEY
Mampiara-peo : Sorameva VAHÖMBEY
(Rakikira LàKALàKA - 2015)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Vahombey
Vangy : 2917
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 15/08/2014 14:51
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121