Faniriako (Vahombey)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Chapô :
« Père,
Mon désir, si tu le veux bien,
Mon désir est d’hériter du ciel dès sur terre
Comme tout un chacun.
Et que tous ceux qui croient en Toi
Puissent aussi hériter avec moi. »
---------


Ray ô ! Mba faniriako raha toa ka sitrakao
Ny handova lanitra dieny ety an-tany
Kanefa tsy izaho irery, f’ireo izay mino anao
Hiaraka amiko hatrany hatrany

Endrey ny fiainanay
Anilan-dray, ny Tompo iray, fanahy iray
Iraisana avokoa ireo asa soa
Iray ny fo, iray ny loha
Ray ô ?! Nahoana moa ê, raha atomboka anio.


Ray ô ! Mba faniriako raha toa ka sitrakao
Ny ho zanaka manoa feno fahendrena
Hilofo hatrany koa hamita ireo asanao
Ka tsy hirehareha fa hanetry tena

Endrey ny fiainanay
Anilan-dray, ny Tompo iray, fanahy iray
Iraisana avokoa ireo asa soa
Iray ny fo, iray ny loha
Ray ô ?! Nahoana moa ê, raha atomboka anio.


Tonony sy feony : Pasteur RAHAGALAHY - Fihirana Fanampiny 39
(Rakikira LàKALàka - 2015)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Vahombey
Vangy : 3698
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 23/12/2014 23:10
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117