IRIKO (Vahatra)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iriko anie io olona io
Fa masoko mahita manjary tadio

Iriko anie iriko tokoa
F'efa azoko nofy 'zay tsy nampifoha

Tapakevitra aho hanantona azy
Fa teny indram-bava angamba
Tsy ahavoasazy
Andrana ihany izao
Fiangaviana raha toa azo atao

Hifankatia hifidy lalan-kizorana
Sao miantefa amam-bato ka mety ho torana

Iriko anie fasaingy tsy sahiko
Toa mifandaka hatramin'ny saiko sy fanahiko

Tapakevitra aho ...

Iriko anie holalaiko amizay
Fifaliako tokoa no niarahanay

Iriko anie iriko ho havako
Andrehetako ny afo ny afom-pitiavako .
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Vahatra
Vangy : 3928
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : bobimarolahy
Daty : 07/08/2010 20:19
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4222