FANAHY MASINA O ! MIDINA (TZA Lazaina (Tanora Zanaka Ampielezana - Lazaina))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
N’inoninona izay hokasaina
Ry olombelona mbola miaina,
Tadidio mangataha Fanahy Masina.
N’aiza n’aiza sehatra misy anao
Na inona asa atao sakaiza:
Mangataha Fanahy Masina.

Ref : Avia Fanahy ô !
ô Fanahy Masina ô ! midina,
Avia mitoera amiko ianao ô!
Midira Ianao ato anatiko ,
Avia , avia ianao Fanahy Masina ô !

Ianao Mpampianatra tsara indrindra
Mpitarika amin’ny Fahamarinana
Tantanonao ‘zahay Fanahy Masina ô!
Fa hitory Anao Andriamanitray ô!
Atreho izao fotoana izao
Mibitsiha Ianao Fanahy ô!

Ref: Avia Fanahy ô! ….
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TZA Lazaina (Tanora Zanaka Ampielezana - Lazaina)
Vangy : 2490
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Heriniaina_Andriamanjato
Daty : 11/07/2016 10:52
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0729