Rehefa tia (Twg & Nyo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Rehefa tia

I-Donto ny saiko ny masoko jamba baby mahita anao
Mitempo mahery ny beat mila ho vaky mahitsy ny anatiko ao
Tsy mamafy lainga aho rehefa miteny hoe baby tiako ianao
Tena tsy tantiko intsony diso ve raha mila anao?
Aza maika ny handao fa andraso kely aloha raha azo atao
Tsy sasatra aho ny hitia tsy reraka aho mitalaho tsy haiko raha fantatrao
Mandoro mangina ny fo ny maniry foana hoe izaho sy ianao
Eny kosa ny androany rehefa ela niangavy anao

Réf :
Tsy maintsy aho hiteny
Ataoko izay tsy fanao
Raha izay no tianao baby
Tsy maintsy aho hiteny
Mila porofo mazava ianao
Rehefa tia tsy misy afenina aho

II-Ianao tsy atoro fa ianao malala ahy
Ianao mahay fa tsy misy sahala ahy
Ianao mila ahy dia hijanona aho tsy hiala
Ianao no tiako antsoina malala
Ny an-tsaiko momba ahy
Izay ataoko hitanao
Ny am-poko rehetra
Izay tiako indrindra ianao
Tsy hasakana ahy raha izay tsiny fa
Sasa-miandry aho fa mila anao
Tsy hisompotra anao aho fa aza manahy
Tolory ho ahy ary ny fonao

Réf :
Tsy maintsy aho hiteny
Ataoko izay tsy fanao
Raha izay no tianao baby
Tsy maintsy aho hiteny
Mila porofo mazava ianao
Rehefa tia tsy misy afenina aho

III-Tsy avelako ianao fa ianao sarobidy ho ahy
Tsy toky fotsiny fa ianao aza manahy
Izay rehefa tia X 4
Tsy harena no nanintona ahy
Tsy ny endrikao fa ny fanahy
Tsy bika na ny ankoatr'izay
Tiako ianao averiko indray
Izay rehefa tia X4

Réf:X2
Tsy maintsy aho hiteny
Ataoko izay tsy fanao
Raha izay no tianao baby
Tsy maintsy aho hiteny
Mila porofo mazava ianao
Rehefa tia tsy misy afenina aho
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Twg & Nyo
Vangy : 1928
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Tatr
Daty : 07/06/2016 17:19
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0789