IANAO NO ILAIKO (Twg & Nyo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
I-Izay tato an_tsaiko sy izay kely haiko tsy nafeniko anao,
ny momba ahy sy izay rehetra ao anatiko ao,
androany hiangavy raha mbola mety aza lavinao,
ny foko adala mirediredy fa te ho anao.

Tia fa tsy misy hoe ahoana?
Injay anefa isika fa nihaona
raha ny momba ahy aloha ahoana?
Tia ianao sa mbola manahy?sao voafitaka

Tsy miova ny foko fa mbola ianao iny,mbola Ianao iny,mbola ianao iny fa
raha aza natao mahitsy aza novidiako
Aza tsiny fa izay no izy..!

Réf:Tsy haritro fa aleo hiteny aho hoe: ianao anefa no ilaiko,
ianao anefa no ilaiko,
ianao anefa no ilaiko.
Tsy haritro fa aleo hiteny aho hoe:
ianao no ilain'ny saiko,
ianao no ilain'ny saiko,
Ianao no ilain'ny fo sy saiko

II-Jamba aminao ny fo,
miasa aminao ny loha,
ny fanahy tia tokoa,
ianao asa aloha?
maika aho fa aza ela no mamaly(mbola hiandry foana)
haiko fa ianao no ilaiko izay no fantaro(mbola hisy fotoana)

Ny ao am_ponao no tiako ho ré
Eny na tsia?aloha vao mandeha
Mba miangavy anao mba ho ento
Izay lalanao no tiako aleha
Fitiavanao no reharehako
Ianao iny no fandreseko
Mazava ho azy fa ianao no ilaiko
ianao no ilaiko,ianao no ilaiko

Réf:Tsy haritro fa aleo hiteny aho hoe: ianao anefa no ilaiko,
ianao anefa no ilaiko,
ianao anefa no ilaiko.
Tsy haritro fa aleo hiteny aho hoe:
ianao no ilain'ny saiko,
ianao no ilain'ny saiko,
Ianao no ilain'ny fo sy saiko
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Twg & Nyo
Vangy : 2013
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Tatr
Daty : 19/10/2015 08:41
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0786