Mba aiza? (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ef’ela ihany no nanontany
ny marina, aiza no misy azy?
Efa voatety avokoa ,nefa aiza moa?
Toa vao maika maloka aza.
Ny hazavana anefa tsy maintsy hiantefa!.
Ny marina hiseho foana,rehefa handeha ny fotoana.

Ref: Ny foko aloha manantena hahita ilay harena,
Dia mba hitony tsy hiady saina.
Na tsy maintsy hikely aina ,tsy ho kivy aloha
fa mbola hitady hatrany hatrany.
…Ho hita io 'ndray androany.

2-Fahalalana kely mamy toa tantely
Ilay hoe Jehovah no Ray nahary.
Toy ny vatosoa nahafaly ny fo.
Ny hazavana niharihary.
Feno toky aho izao; haiko izay hatao!
Efa hita izay inoana:Jehovah no mila antsoina.

Ref :Ny foko efa nanantena ,'zao hita ilay harena,
Dia mba mitony ,tsy miady saina.
Satria tsy very maina,izay rehetra natao
fa mbola nitady hatrany.
…dia nahita ihany.

3-Ny hafa indray izao no mitady ilay vaovao tsara
Dia izaho indray ve ho tia tena?
Izaho 'nie hitory ,vonona hizara.
F’izy ireo mila vonjena,sy ahita ilay harena.

Ref: Ny fony izao manantena ahita ilay harena,
Dia mba hitony ,tsy hiady saina.
F’izy anie mikely aina;tsy ho kivy
fa mbola mitady hatrany hatrany.
…dia ahita ihany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tvbroadcasting
Vangy : 571
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : raniNi1
Daty : 17/05/2019 11:34
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1648