Matoky Anao aho (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Latsapaka ao anaty foko.
Manampy ahy tsy hitoloko.
Ny teninao no mampitraka
raha sendra mba misento.
Tsy hamoy fo aho tsy hiady saina.
Efa Ianao no hantenaina.
Toa reko ianao ‘lay mampahatsiahy dia miteny ahy hoe:
“ Eto aho ,hanampy anao ,matokia,dia tohizo ilay dia…”
Na maloka aza izay hita. N’inona hitranga izaho hahavita
hiaritra hatrany, tsy ho resy fa matoky Anao.

Manirery aho mitsiriritra.
Malahelo mipitrapitra.
Soa ihany aho manana anao.
Tsy hanary an’ahy.
Nefa ampio tsy hisalasala
Mba tsy hivadika ,tsy hiala
Ka hisaintsaina hatrany izay lazainao hoe:
“Eto aho tsy handao anao. Matokia dia tohizo ilay dia
Tadidio mandalo ihany izao.Kely sisa dia tontolo vaovao”.
Na maloka aza izay hita. N’inona hitranga izaho hahavita
hiaritra hatrany, tsy ho resy fa matoky Anao….. ( aanao)

“Eto aho tsy handao anao.( tsy handao anao)
Matokia dia tohizo ilay dia.
Tadidio mandalo ihany izao.
Kely sisa dia tontolo vaovao”
Na maloka aza izay hita. N’inona hitranga izaho hahavita
hiaritra hatrany, tsy ho resy fa matoky Anao.

JWBroadcasting March 2018
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tvbroadcasting
Vangy : 789
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : raniNi1
Daty : 22/05/2019 08:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.086