Jehovah no tiako hitantana ny diako (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny fiainako any aoriana any,hanao ahoana re ny hiafarany?
Izay sampanana halehako ve mety hahasambatra ihany?
Fa n’inona hitranga dia tapa-kevitra aho faaa…
Jehovah tsy ho foiko satria…tia an’ahy.

Ref: Na dia misy olona tiako na zavatra iriko,
izay tian’I Jehovah, izay no fidiko
Raha manoro lalana ahy izy ,dia izaho tsy handà (aannn)
Hampandeferiko ny ahy raha toa tsy ho sahaza.
Tsy hanenina anefa fa ho sambatra aza.
Ny hoaviko rehetra dia Izy no tiako hitantana ahy.

‘Ndraindray manintona aloha ireo dokam-barotra etsy sy eroa.
Ho diso lalana anefa raha izay no safidin’ny fo.
Tsy hivadika aho fa aleo manohy ilay dia.
‘Lay voady natao tsy ho hadino, sanatria ( iiii)

Ref: Na dia misy olona tiako na zavatra iriko,
izay tian’I Jehovah, izay no fidiko
Raha manoro lalana ahy izy ,dia izaho tsy handà (aannn)
Hampandeferiko ny ahy raha toa tsy ho sahaza.
Tsy hanenina anefa fa ho sambatra aza.
Ny hoaviko rehetra dia Izy no tiako hitantana ahy.

Jehovah hanome ahy izay sarobidy
ka ny anjarako dia ny mahay misafidy.
Fa namako akaiky izy,hanoro ahy ny tsara,
satria tiany ho afa-po aho sy ho tsara fiafara.

Ref: Na dia misy olona tiako na zavatra iriko,
izay tian’I Jehovah, izay no fidiko
Raha manoro lalana ahy izy ,dia izaho tsy handà (aannn)
Hampandeferiko ny ahy raha toa tsy ho sahaza.
Tsy hanenina anefa fa ho sambatra aza.
Ny hoaviko rehetra dia Izy no tiako hitantana ahy.
Ny hoaviko rehetra dia Izy no tiako hitantana ahy.

JWBroadcasting March 2017
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tvbroadcasting
Vangy : 724
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : raniNi1
Daty : 22/05/2019 08:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.077