Izay tsara indrindra no omeko Anao (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Raha ny faniriako, Jehovah, dia ny hanompo Anao.
Ka raha toa mbola miaina aho dia hanao izay azo atao.
Ny teninao ’ndeha hozaraiko ,tsy hohazoniko irery.
Dia ‘zaho ho afa-po moa izay mihaino ahy dia tsy mba ho very.
Fa raha any ato am-poko ato efa tia Anao foana hatrizay,
dia tsy hiova fa hatoky Anao foana ho mandrakizay.

Ref: Ry Jehovah Raiko o!,Ianao no deraiko
Ny voady nataoko dia tsy maintsy hefaiko.
Dia vonona aho hanao izay sitrakao,
ka ‘zay tsara indrindra Jehovah no omeko anao.

2-Foiko ho Anao re Jehovah ny momba ahy rehetra.
Ary homeko anampiana ny hafa izay an’ahy tsisy fetra.
Raha hoe mitaraina izy ireo, ‘zaho tsy handao ,sanatria!.
Ho afa-po sy ho faly aho satria ‘zay ‘lay hoe “tena tia”.
Fa raha any ato am-poko ato efa tia Anao foana hatrizay.
dia tsy hiova fa hatoky Anao foana ho mandrakizay.

Ref: Ry Jehovah Raiko o!,Ianao no deraiko
Ny voady nataoko dia tsy maintsy hefaiko.
Dia vonona aho hanao izay sitrakao,
ka ‘zay tsara indrindra Jehovah no omeko anao.

Ry Jehovah Raiko o!,Ianao no deraiko
Ny voady nataoko dia tsy maintsy hefaiko.
Dia vonona aho hanao izay sitrakao,
ka ‘zay tsara indrindra Jehovah no omeko anao.

JWBroadcasting April 2019
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tvbroadcasting
Vangy : 774
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : raniNi1
Daty : 21/05/2019 09:42
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6979