Miady varotra (Tsota)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Diso ve ny tenanay raha toa ka be ady varotra
Fa ny fiainana efa lafo ity, mahamay sady efa sarotra
Kobo sy hita soritra io na tsy amin’ahy irery e !
F’elah zao mody mitsiky io mba hanakonana an’ilay fery e !
Tsika reo le miafy sy mba miezaka ny ho mafy
Miady lalandava tsy miraharaha izay ankolafy
Mikiry sy hifofotra mba hiaina fiainan-getroka
Vao singam-bolo iray nefa no mihetsika, voabetroka
Na izany aza tsy kivy mitady, mianatra, mikaroka
Miaina amin’ny speed fa tsy mahatakatra carte
Trondro kely nendasina tsy mahatakatra carpe
Ny valin’ny fiezahana, ankamantatra fa miharitra
Maika handeha hisera ! na dia voan’ny sery !
Mba te hifandona vera eo am-pijerevana serie
Fiantso hoe madinika fa ny toe-tsaina no ngeza
Angady miady tany ireo fa tsy mba miady seza

Tsy safidy ny hoe miaina amin’ity miainam-pahoriana
Na mangidy aza anie
Mbola manatena fifaliana
Indray andro any ! Haannnnnnnn !
Tsy maintsy hisava

Francs ary fiady varotra vao maika fa ny Ariary
Raha lafo ny appareil photo dia ny saina no maka sary
Tsy adala ry dadabe ange mampanjaitra malabary
Avy eo ny hariva tsena mora lasa milaha-bary
Firy ireo tanora izay manangona mikiry
Ka tsy mahavidy akory na dia hoe la vache qui rit
Mitsinjo sy mitazana ny vody andro merika
Hamelomana an’ilay tiana izay nantsoina ka dia nierika
Mifoha maraina fa tsy kivy na marary e !
Na lavitra ary vita foana Itaosy-Ambohimirary e !
Izay ela efa nafeninao no aleo fa hotantaraiko
Dia rariny elah aveo raha hiteny hoe hay kay tena ilaiko
Fiainan’ny maro aniisa ireo fa zah misolotena
Mba hiova kotoleta hono ve ilay solon-kena
Izay mbola manantena atramin’izao aloha dia siksa
Fa atreto mbola miady aloha fa ts’isy ny prix fixe

Tsy safidy ny hoe miaina amin’ity fiainam-pahoriana
Na mangidy aza anie
Mbola manatena fifaliana Indray andro any ! Haannnnnnnn !
Tsy maintsy hisava
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tsota
Vangy : 9324
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 25/09/2014 13:05
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128